ANDAO!
Ny gazety-boky ANDAO! dia mitondra tantara sy fifampizarana isan-karazany izay milaza ny asan’Andriamanitra, fampaherezana ary fampianarana ilaina amin’ny fiainana kristianina. Manazava ihany koa ny hevitry ny Iraka Lehibe ho an’ny kristianina araka ny Soratra Masina amin’ny sehatra maro samihafa, ary manentana ny kristianina hanatanteraka izany Iraka Lehibe izany.
Ny vavaka ataonay dia ny mba hitarika hetsika hampandroso ny fampielezana ny fitiavan’Andriamanitra sy ny voninahiny manerana izao tontolo izao, ny feo afrikanina izay hita ato amin’ity gazety-boky ity.